Ady sahala 2-2 no nisarahan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Syli Gineana tamin’ny andro voalohan’ny fifanitsanana amin’ny dingana famaranana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo anivon’ny ekipam-pirenena (CAN) any Ezipta. Mitondra famakafakana mikasika ny lalao natao ny sabotsy 22 jona teo ny 2424.mg sy ny tranonkala Les Décrypteurs.com miaraka amin-dRaoto Andriamanambe, mpanao gazety, sy Rakotondraibe Romuald na Roro, mpanazatra sy mpanabe.













