Nanatanteraka tatitra momban’ny asa vita nandritra ny 100 andro nitondrany ny firenena ny Filoha Andry Rajoelina ny 28 aprily teny Mahamasina. Ankoatra ny fitanisana ny zava-bita sy andalam-panatanterahana dia efa nosoritany koa ireo asa miandry ny fitondram-panjakana. Nohamafisiny nandritra io fotoana io ny tsy maintsy irosoana amin’ny fametrahana ny governoram-paritra. Io no miantoka ny fahatanterahan’ireo programan’asa izay nampanantenainy. Nanamafy ihany koa ny tenany fa tsy maintsy foanana ny Antenimierandoholona ary hanaovana fotondrafitrasa ny tetibola izany tokony hampiasainy.