13 mey 1972- 13 mey 2019, feno 47 taona ny tolona nataon’ny mpianatra avy eny amin’ny anjerimanontolo ny amin’ny fanagasiana ny fampianarana. Tolona izay nitarika ny famindran’ny Filohan’ny Repoblika voalohany Philibert Tsiranana ny fahefana feno hoan’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa. Perle Ramanisa, mpitolona sady mpanabe dia nanambara fa tratra ny tanjona satria ampianarana sy hanadinana amin’ny fanadinam-panjakana ny teny malagasy.
Hoy kosa i Willy Razafinjatovo « Me Olala », isan’ireo natao sesitany tany Nosilava » Tsy mitovy intsony ny lanjan’ny tolona izay nataon’ny mpianatra tamin’ny 1972 izay niady hoan’ny fahafahana sy ny ankehitriny ». Amini’izao fotoana izao, hoy izy, ny tolona ataon’ireo mpianatra dia simban’ireo fanambazana maro samihafa ataon’ireo mpanao politika.