An’arivony ireo mpanohana ny Ankoay nikasa ny hijery ny lalao famaranana tao amin’ny lapan’ny Fatanjahan-tena omaly alahady. Niditra an-tsehatra mihitsy ny mpitandro ny filaminana nandamina. Maro ireo nifoha maraim-be namonjy laharana saingy tsy tafiditra noho ny hamaroan’ny olona.














