Antananarivo, 21 Février, 5ora10 – Sambo haingam-pandeha folo farafahakeliny, sambo « zodiac » folo ary fitaovana fanapahana hazo 15 any ho any no efa napetraka any amin’ireo toerana heverina fa mety hiharan’ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Emnati, hoy ny Birao misahana ny tandindon-doza sy ny loza androany alatsinainy maraina. Anisan’izany ohatra ny distrikan’i Manakara izay nametrahana fitaovana fanapahana hazo dimy, sambo « zodiac » iray sy sambo haingam-pandeha roa. Sambo zodiac telo, sambo haingam-pandeha iray sy fitaovana fanapahana hazo telo kosa no efa napetraka any Mananjary
Efa samy nametrahana sambo haingam-pandeha tsirairay ihany koa ny distrikan’i Morondava, Antsohihy, Toliara, Besalampy, Maroantsetra, Nosy Varika ary Soanierana Ivongo. Sambo zodiac iray avy kosa no efa napetraka any Vohipeno sy Farafangana. Fitaovana lehibe fitrohana rano iray no efa napetraka any amin’ny tanànan’i Toamasina hiatrehana izay mety ho fiakaran’ny rano. Efa vonona ihany koa ny sambo zodiac eto Antananarivo ary miandry ao amin’ny fitehirizan’entan’ny BNGRC sy ny toerana misy ny mpamonjy voina.
Efa miantrana any amin’ny distrikan’i Brickaville, Mahanoro, Manakara, Mananjary, Farafangana ary Toliara ihany koa ny mpiasa eo anivon’ny BNGRC. Hanampy amin’ny fanamafisana ny fiomanana miaraka amin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana no nandefasana azy ireo any amin’ireo toerana ireo, hoy ny jeneraly Elack Andriankaja, tale jeneralin’ny BNGRC. Anisan’ny asa iandraiketan’ireo ekipa avy amin’ny BNGRC ireo ny fandrindrana ny fandaminana eny amin’ny toby fandraisana ny tra-boina sy ny famindrana ireo mponina raha toa ka ilaina izany.
Nilaza ihany koa ny BNGRC fa efa vonona ny trano lay mahazaka olona 4.000 ahafahana mamindra ireo tra-boina raha sanatria ka misy ny fiakaran’ny rano.














