AMPAHAMARINANA – Na dia eo aza ireo loza mananontanona aterak’ireo vato ahiana hilatsaka eny Ampahamarinana dia mbola misy ireo mponina tsy mety hiala ny trano fonenany. Misy ireo mitady vahaolana maharitra vao hanapakevitra ny andao ny tranony. Nanamarika anefa ny sekretera Mpanatanteraka BNGRC (Bureau national de gestion des risques et catastrophes), ELACK Olivier Andriakaja, fa efa napetraka ireo saina mena mariky ny loza, ka na dia amin’izao firotsahan’ny orana izao fotsiny aza dia tokony hiala izy ireo.