ANDRO RATSY – Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny Sampan-draharaha mpamantatra ny toetrandro dia misy andian-drahona izay mety hivadika ho rivo-doza mitoetra ao amin’ny morontsirak’i Mozambika. Mila malina hatrany ireo mpampiasa ranomasina hoy ireo teknisiana etsy Ampandrianomby.