2424.mgArticles similaires
FAMPIANARANA – Raha niato nandritra ny herinandro ny fampianarana tamin’ireo sekolim-panjakana maromaro teto Antananarivo dia niverina tamin’ny laoniny izany nanomboka androany. Ny fitakiana fanazavana mahakasika ilay « solombodiakoho » tsy mitovy moa no nahatonga ny hetsika. Nanambara ireo mpampianatra fa resy lahatra tamin’ny fanazavana nomen’ny Filoham-pirenena omaly teo anolonan’ireo mpanao gazety izy ireo.













