Tokony hanaraka ny lalàna misy eto Madagasikara ny antoko pôlitika manao fanambarana fa antoko mpanohitra ao amin’ny Antenimierampirenena hoy ny minisitry ny Atitany, Tianarivelo Razafimahefa. Nandritry ny fanokafana ny fivoriana manokan’ny Antenimierampirenena tetsy Tsimbazaza no nanambarany izany.