Rabearivelo Jean-Joseph (1901-1937) dia sady nanoratra tononkalo tamin’ny teny gasy no amin’ny teny frantsay. Samy fatratra ny fahaizany ireo teny roa tonta ireo ka sarotra fantarina iza no nosoratany mialoha ary iza kosa no dika-teny.
Liana tamin-java-baovao Rabearivelo, isan’izany ny nianarany teny espaniola ihany koa, saingy tsy afaka tsy ho zanaky ny taonjato faha-19 vao nivalona, satria vao roapolo taona monja no nahafoana ny Fanjakan’Andriana no namoaka ny tononkalo voalohany fantatra fa azy izy, tao amin’ny gazety-boky «Vakio ity», ny taona 1915.
Ny olon-dehibe nanabe azy sy niresaka taminy, nampita ny lovantsofina, inoana fa taiza hiringirin’ny taonjato niainan-dry Ranavalona III (teraka 1861) sy Rainilaiarivony (maty 1896). Dia izany feon’ny teny taloha izany, izany kalon’ny tonony fahagola izany, izany hain-tenin’ny Ntaolo izany, no nandrafitra ny sainy ary namandrahany (cf. Fandraka) ho tsakoina mandrak’ankehitriny.
Tsy tazako tao anaty asa-soratr’i Rabearivelo ny teny tsy afaka am-bavan’ny maro ankehitriny, Barea, izay faritan’ny Firaketana hoe : «BARE na BARIA : ombimanga na ombihaolo tsy misy mpiandry fa mitoetra any Bongolava». «BARIA na BARE : ombidia, ombimanga. Amin’ny Antankarana any Vohémar, ny baria na varia, dia vala, fahitra, ary ny omby ompiana ao am-bala na fahitra dia atao hoe omby am-baria».
Ho fanitaram-pahalalana, ireto misy tononkalon-dRabearivelo naha tsipalotro ny teny Omby. Misy volana iray, «JININJA», tsy mahazatra antsika ankehitriny intsony : jinja idiran’ny tsofoka -in. Ny dikany, azo takarina amin’ny fanazavana nentin-dry Mompera Abinal sy Malzac ao amin’ny Dictionnaire (1888) mikasika ny «Jinja-andry» : marika voasikotra amin’ny andrin-trano, ka hanarahana ny fitombon’ny zaza na hitadidiana zava-nitranga. Ilay antsy, sady fijinjana vilona ihany no «fanoratana» amin’ny hazon’ny andry afovoany, na amin’ny vatolampy :
OMBALAHY
Vokoka toy ny vohitr’Imerina
Mierinerina eny an-tendrombohitra,
Na nojininja tamin’ny vatolampy ;
Misy trafo toy ny lohatrano
Sokirin’ny volana eo amin’ny tany,
Inty ny ombalahy mahery
Jaky toy ny volon-drany.
Tany hay, tany hay
Inona no ampatsiahivinao azy ao anaty tapa-torimasony ?
Moa ve ny namany tsy misy trafo
Ary mena toy ny vovoka
Izy, tompon’ny tany tsy misy olona ?
Sa ny razany nafahin’ny tantsaha
Dia noroahiny ho any am-bohitra, mirava-boasary masaka,
Mba ho vonoina ho hasin’Andriana ?
ZÉBU
Voûté comme les cités d’Imerina
En évidence sur les collines
Ou taillées à même les rochers ;
Bossu comme les pignons
Que la lune sculpte sur le sol,
Voici le taureau puissant
Pourpre comme la couleur de son sang.
Désert, désert,
Qu’évoques-tu dans son demi-sommeil ?
Est-ce les siens qui n’ont pas de bosse
Et qui sont rouges comme la poussière
Que soulève leur passage,
Eux, les maîtres des terres inhabitées ?
Ou ses aïeux qu’engraissaient les paysans
Et qu’ils amenaient en ville, parés d’oranges mûres,
Pour être abattus en l’honneur du Roi ?
Mahalasa saina ny omby kisarian-dRabearivelo eto : tsy misy trafo hoy izy, mena toy ny vovoka hono, ary indrindra, tompon’ny tany tsy misy olona. Ombihaolo, tsy misy trafo… Barea ? Ny omby malaza, omby volavita, fanatitra isaky ny Tendrombohitra roambinifolo anefa, rehefa androm-Pandroana, malaza indrindra noho ny trafony fanolotra : raha «nahita» ny omby hono Ralambo, dia ny tsiron’ny trafon’ny jamoka no naharevo azy ka nampihinan-kena ireo mety ho Hindou teo aloha…
NY OMBY FOTSY
Aleoko manonona azy hoe : Omby fotsy, toy ny Arabo
Tovolahy jamba tany am-paritry ny mazava izy
Ka tsy nahita hosafosafoina ny tandrony tany ;
Saingy izao teraka izao ny voninkazon’ny tanin’ahitry ny alina
Ary mirongatra miraotra azy toy ny vatotr’ombivavy ny volana
Ka mihiratra ny masony ary toa matanjaka noho ny ombimanga
Sy ny omby dia izay matory any an-Kaintsika izy
LE BŒUF-BLANC
Je préfère l’appeler Bœuf-blanc, comme les Arabes.
Étant un ephèbe aveugle dans les régions du jour,
Il n’a pu rien y caresser avec ses cornes ;
Mais, maintenant que des fleurs naissent aux prairies de la nuit
Et que la lune les broute en bondissant comme une taure,
Ses yeux recouvrent la vue, et il paraît plus fort que les bœufs bleus
Et les bœufs sauvages qui dorment dans nos déserts
Eto dia mbola voatanisa ny omby dia, monina an-tany hay, tsy misy olona. «Fahitra manandrona ny hariva», «onin’ny fahazavana», «vinan’ny kita-mitsilopy» : ity omby fotsy ity, sao mba omby jamba, omby fotsy maso ?
Tsy mahazatra ny fanoratan-dRabearivelo amin’ny amboaran-tononkalo «Sari-Nofy, Presque Songes» (1934) sy «Nadika tamin’ny alina, Traduit de la nuit» (1935) satria tsy miady rima fa manaraka kosa ny gadon’ny Hainteny.
Ho fahafinaretan’ny sofina, vakio am-bava, tonòny ho re, ity tononkalo manaraka ity fa ho henonao tokoa ny tsiron’ny voankazo nangalarina tany amin’ny tanimbolin’ny alina ary ho azonao an-tsaina izany molo-jazavavy mainty manga mitsako voarohy :
TERAK’ANDRO
Efa nahita ny mangiran-dratsy mangala-boankazo
Tany amin’ny tanimbolin’ny alina va hianao ?
Inty izy miverina avy any,
Eny amin’ny lalan-kely atsinanana
Rako-tenina mivelatra :
Misoliti-dronona ny tenany manontolo,
Toy ny zaza nobiazin’ny omby taloha.
NAISSANCE DU JOUR
Avez-vous déjà vu l’aube aller en maraude
Au verger de la nuit ?
La voici qui en revient
Par les sentes de l’Est
Envahies des glaïeuls en fleurs :
Elle est tout entière maculée de lait
Comme ces enfants élevés jadis par des génisses.