Fanafody avy amin’ny Artemisia, fampiasa amin’ny fitsaboana ny tazo mahery no hanaovana andrana eto Madagasikara hitsaboana ireo marary voan’ny Covid-19. Artesunate no anarany ary atsindrona amin’ny nofo na mivantana amin’ny lalan-dra no hanomezana azy ny marary. Samy andramana ny fiantraikany raha mandeha irery izy na raha ampiarahina amin’ny Vitamine C atsindrona. Mararin’ny Covid-19 manaiky an-tsitrapo sy ankalalahana ny andrana no tsaboina amin’ny Artesunate ary any amin’ny Tanàna Voara no andraisana azy ireo.













