Nanamafy ny filohan’ny foibem-pibaikoana ny ady amin’ny covid 19 sady minisitry ny Atitany, Tianarivelo Razafimahefa, fa tsy nivoaka tamin’ny kitapom-bolam-panjakana velively ilay vola 8000 tapitrisa ariary voalaza fa nividianana vatomamy ho an’ny mpianatra misotro Covid Organics. Na izany na tsy izany anefa, misy ny fanadihadiana ataon’ny inspection générale de l’Etat sy ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly na ny Bianco, hoy ny minisitra misahana fanabeazana misolo toerana. Nitaky ny mangarahara sy ny marina rahateo momba iny raharaha iny ny loholona.