Rehefa niala tamin’ny toerana tokony hiasany ny ankamaroan’ireo mpiasa Malagasy nila ravinahitra tany Koweit dia tsy nanana antony nahafahana nanavao intsony ny taratasy fahazoan-dalana hijanona any amin’ny firenena koweitianina. Voasokajy ho olona marefo araka izany izy ireo ka tsy maintsy nampidirana hoy ny avy ao amin’ny governemanta.













