Mitaky ny hanokafana ny tobim-piantsonan’ireo fiara mpitatitra olona amin’ny zotra nasionaly ireo mpitatitra sy mpamily taxi-brousse. Nanao hetsika ho fanairana manoloana ny Tobim-piantsonana Maki tery Andohatapenaka izy ireo io alatsinainy maraina io. Niteny ny teo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana fa efa nisy ny fifampidinihana ka tokony hivadika hitatitra entana aloha izy ireo mandra-piverin’ny toe-java-misy ara-pahasalamana amin’ny laoniny.














