Nilaza ny tale jeneralin’ny Agence des Transports Terrestres (ATT) fa efa nisy fampiomanana mialoha ny famindrana ireo koperativa izay tokony mifindra eny amin’ny tobim-piantsonana eny Andohatapenaka. Araka izany, tokony miala eny Ambodivona alohan’ny 20 septambra ireo koperativa tsy manara-dalana. Misy kosa ireo izay mijanona satria sady tompon-tany no manara-dalana.
Misy ihany koa anefa ireo izay tsy manaiky hifindra raha mbola misy ireo mijanona eny an-toerana satria eny no mahazatra ireo mpanjifa.