Ny « Beatbox battle » dia hetsika voalohany teto Madagasikara hanomezana lanja ny atao hoe « beatbox », ary ihany koa hamoriana ireo izay mpisehatra ao anatin’ity tontolo iray ity. Natao teny amin’ny ADMC-CRAAM Ankatso, ny alarobia 28 aogositra lasa teo, ny ady famaranana tamin’ity fifaninanana ity.
Maro ireo tanora efa mivohy beatbox raha ny eto andrenivohitra no lazaina. « Izaho dia tia mozika kanefa tsy mahay mihira dia io no mba tontolo ilalaovako », hoy Radoniaina Benarintsoa, mpandray anjara.













