Andriantany, ho an’ny ankabeazan’ny olona, dia io lakandrano maloto feno fako io, mitety ny faritra iva manontolo : «Paraky», Ampefiloha, Isotry, 67 hektara, Ankazomanga…
Tsy misy mahatadidy intsony fa Andrianampoinimerina (1792-1810) no nanoritra io lakandrano io, izay fahanan’Ikopa etsy Ankadimbahoaka ambany atsimo andrefan’i Soanierana. Tsy fanariam-pako sy ranon-dolana velively no niheveran’Ny Ombalahibemaso azy, tamin’izany, fa ho fampidiran-drano amin’ny tanimbarin’i Betsimitatatra.
Tamin’iny herinandro lasa iny, nisy somary nangatsiatsiaka kely noho ny mahazatra : hatsiaka nentin’ny rano niditra ny tanimbary iny. Ankehitriny anefa, tapaka ny lalan’ny rano noho ny fanotofana manemitra ny «route digue». Miala etsy Andohatapenaka mihazo ny «village artisanal» amin’ny sampanan-dalana mankany Andriantany sy Ambohitrimanjaka, firifiry akory ny trano, orinasa, fivarotana, manditsa-tena amin’ny toeran’ny tanimbary fahiny : «gare routière», ny kianja fanaovana rubgy, ny «Akoor Digue» manontolo, ny «Village de la Francophonie», ny toby fiadiana amin’ny valala, ary ny orinasa Opham, io vao niorina farany io.
Rehefa nanapa-kevitra ny jeneraly Gallieni fa ho eo Soarano no fiantsonan-dalamby (nisokatra taona 1910) dia nofaritany nanaraka ny lakandrano Andriantany ny lalamby, hatreo Soanierana. Nanomboka teo, indrindra rehefa nakarina indray ny fefilohan’Ikopa taorian’ny safo-drano goavana tamin’ny 1959, no nanita-kevitra hanototra ny tanimbary anelanelan’Andriantany sy Ikopa ny olona. Tsy diso anjara amin’izany kitoatoa izany koa ny Fanjakana na dia ny nametrahana fotsiny ny tobin’ny taxi-brousse etsy akaikin’ny «Fasan’ny Karana» aza : korontana sy loto mihanaka sy miparitaka manenika ny manodidina azy rehetra.
Andranotapahina, ho an’ny ankabeazan’ny olona, dia ilay farihy eo am-pototry ny vohitr’Ambohidratrimo, isan’ny Tendrombohitra Roambinifolo. Manapaka azy eo afovoany mantsy ny Lalana RN4 Antananarivo-Mahajanga. Mitombo an’isa anefa ny Andranotapahina ka ahiana mihitsy ho ritra tanteraka ny faritra sasany, sady efa izay koa moa no tanjona tsy miloaka ahafahana mamaritra tany vaovao, sitrany ahay ho «lotissement» manditsa-kitrokely.
Andranotapahina, na tanimbary-tapahina, ambadiky ny «Village de la Francophonie». Andranotapahina eny Laniera vakian’ny «Route de la Francophonie». Andranotapahina, Dorodosy efa ho ritra etsy Imerimanjaka, vakian’ny «By-Pass» sy ny tototototra maro tsy nahazoana alalana na nanomezana «dérogation» ombieny ombieny.
Mamaly faty ny rano indraindray : ka toerany taloha teo ! Ny ankizy atsy ho atsy, voatery anaty boky sisa vao hahita izany hoe tanimbary, anefa Betsimitatatra no naha Antananarivo an’Antananarivo. Misy voambolana efa naman’ny vakoka sahady ihany koa : hetrina, fompotra.
Ny zavamaniry (ahitra, zozoro, herana, ampanga, hisatra) nanarona taloha ny hetrina, ka voatototry ny antsanga sy ny fasika ary ny fotaka an-taona maro no lo ka mivadika ho arina antsoina hoe fompotra. Hetrina voasaro-drano taloha ka najariana ho tanimbary io Betsimitatatra ampototr’Antananarivo io, Moriandro ihany koa anelanelan’i Mahitsy sy Ambohimanoa. Misy teny hafa koa, havan’ny hetrina ihany, dia honahona (etsy anelanelan’Ambohipeno sy Ambohibato) sy heniheny : samy tany voasaro-drano avokoa ireo. Raha tondraka tanteraka Ikopa dia ho voasaro-drano mangeniheny Betsimitatatra.