Manoloana ireo hetsika maro samihafa manohitra ny voka-pifidianana dia nanambara ny filoha lefitry ny Vaomiera mahalaeotena mikarakara fifidianana (CENI), Thierry Rakotonarivo fa 4 monja ny fitarainana voaran’izy ireo, maro kosa ireo fitarainana am-bava.
Mahakasika ireo kandida voatana any am-ponja izay mety ho voafidy ho solombavambahoaka indray, dia nanamarika ny filoha lefitry ny CENI fa amin’ny fotoana amoahana ny voka-pifidianana, dia ny anaran’izy ireo no tsy maintsy ho tononina fa lany.