11 FEBROARY – Notsarovana ihany koa ireo miaramila maty am-perinasa
Toy ny isan-taona rehefa 11 febroary toy izao dia tsaroana manokana ny nahafatesan’ny filoham-panjakana, ny Kolonely Richard Ratsimandrava. Noho izany dia tonga nanatitra fehezam-boninkazo tetsy Ambohijatovo Ambony ny Praiministra Christian Ntsay sy ireo mpikambana ao amin’ny Governementa.
Nandritra ity lanonana ity ihany koa dia notsarovana manokana ireo miaramila, polisy sy zandary malagasy maty am-perinasa nandritra ny taona 2019 sy 2020.