CORONAVIRUS – Olona 17 ankehitriny no arahi-maso eny amin’ny CHU Anosiala noho ny fitsirihana hiarovana amin’ny fihanaky ny Coronavirus. Io no tatitra azo avy amin’ny DGFS na ny « Direction Générale de Fourniture des Soins » eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Raha ny fantatra dia olona vao tonga tsy ela avy any Chine izy ireto. Hatreto kosa dia mbola tsy nahitana ny soritr’aretina izy ireo raha ny fanazavana hatrany. Nitondra fanazavana mahakasika azy ireo ny Praiministra Christian Ntsay anio maraina (11 febroary) teny Ambohijatovo.