Manoloana ny mety ho fanakatonana ny sisin-tany hiarovana ny fidiran’ny Coronavirus eto amin’ny Nosy, dia nanambara i Lantosoa Rakotomalala, Ministry Indostria, ny varotra sy ny asa tanana, omaly 17 martsa, fa tsy misy ahiana ny mahakasika ireo entana fampiasa andavan’andro na ny PPN. « Mbola maharitra hatramin’ny efa-bolana ireo tahiry mahakasika ireo vokatra ireo », hoy ny tenany. Misy noho izany ny fepetra horaisin’ny fanjakana hoan’ireo izay manararaotra mampiakatra ny vidin’entana.













