Taorian’ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny zoma 20 martsa lasa teo mahakasika ny valan’aretina Coronavirus, dia mirohotra mody any amin’ny toerana nihaviany ny ankamaroan’ireo mponina eto Antananarivo. Misy anefa ny fepetra tsy maintsy arahan’ny koperativa tsirairay manoloana izany.













