Taorian’ny fanambaran’ny filoha Andry Rajoelina mahakasika ny fisian’ny olona mararin’ny covid-19 eto Madagasikara dia miaina anaty tahotra ny ankamaroan’ny mponina eto andrenivohitra. Tsy vitan’izany fa noho ny fiahiahiana tsy voazava dia nirohotra nanangona entana izay ilaina amin’ny fiainana andavan’andro izy ireo. Rakotra mpiantsena ny fivarotana vary, siramamy, menaka… , ary ny farmasia ihany koa. Manararaotra ny zava-misy anefa ireo mpivarotra ka mampiakatra ny vidin’entana ao aminy.













