Maro ny resaka mandeha mahakasika ny coronavirus ka mitarika ny mponina handray fanapahan-kevitra tsy am-piheverana. Noho izany, tsara ny ahafantaran’ny olom-pirenena, ny rehetra mahakasika io aretina io. Izany dia mba hisorohana ny korontana eo anivon’ny fiarahamonina. Mitondra fampahafantarana vitsivitsy i Dr Manitra Rakotoarivony, talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana.