Manahy mafy ny hoaviny ireo mpiasan’ny Sofitrans. Mahatsiaro ho voahiliky ny Ravinala Airports, kaompania mitantana ny seranam-piaramanidina eny Ivato izy ireo indrindra ny mahakasika ny “Duty Free”, na ihany koa ny famahanana ireo mpandeha. Nitety andrimpanjakana maromaro izy ireo noho izany hilazany ny ahiahiny.













