Nohamafisin’ny fiarahamonim-pirenena avy amin’ny hetsika Rohy ny fisiana karampanondro mitovy laharana ao anaty lisi-pifidianana. Nanamafy anefa i Harijaona Andriamoraniaina, mpandrindra ny hetsika Rohy, ny 13 martsa teny Ambatonakanga fa mila mametraka fomba fiasa vaovao sy matotra mba hahafahana manara-maso ny lisi-pifidianana araka ny tokony ho izy.













