Ny 15 martsa dia natokana ho andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’ny mpanjifa. Raha ny eto Madagasikara manokana dia misy ireo mpanjifa mitaraina amin’ny tolotra omena azy ireo. Noho izay indrindra dia nilaza i Pierre Emile Razafintsalama avy amin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, ny 14 martsa teny Ivandry, fa mbola lavitra ny ezaka raha ny eto Madagasikara ny amin’ny ady amin’ny zon’ny mpanjifa izay.