Nandritra ny fihaonany tamin’ireo solombavambahoaka, anio 12 martsa no nilazan’ny minisitry ny fitaterana, ny fizahan-tany ary ny famantarana ny toetr’andro, Joël Randriamandranto fa tsy hakatona ny sisintanin’i Madagasikara. Hamafisina kosa nefa hoy izy ny fanarahamaso ireo olona rehetra izay mivezivezy ho fiarovana ny fidiran’ny coronavirus eto amin-tsika.
Nitaky ny hanakatonana ny sisitany hatrany moa ny ankamaroan’ireo depiote izay nandray fitenenana teny Tsimbazaza.













