EID MUBARAK – Eïd El Fitr
Firahalahiana sy fifankatiavana
Na tsy mitovy aza ny finoana, Andriamanitra iray ihany no ivavahana. Izany no fotokevitra lehibe nentin’ny mpino silamo nankalaza ny Eïd El Fitr ny Alarobia 5 jona. Toerana maro no nanatanterahina izany fety izany fa ny tao Mahamasina moa dia niavaka tokoa satria nanasa ny mpino rehetra tsy an-kanavaka ry zareo silamo mba hanehoana ny fifankatiavana sy ny fiarahalahiana. Mitondra fanazavana mahakasika ny Ramadany sy ny Eïd El Fitr ireo mpino silamo.