Ny saram-pisoratana anarana no maimaim-poana fa ny latsak’emboka no efaina araky ny fanazavana nentin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fampianarana. Io latsak’emboka io dia entina hanomezana karama ireo mpampianatra FRAM ary ihany koa hanaovana fanamboarana isan-karazany eo anivon’ny sekoly.