AHAIZA-MIAINA : TOMPON’ANDRAIKITRA AMIN’NY FIKAJIANA NY FAHADIOVAN’NY TANANA NY OLOM-PIRENENA REHETRA
Tsy ny mpanadio irery ny tompon’antoka amin’ny fikajiana ny fahadiovan’ny tananan’Antananarivo. Ny olom-pirenena tsirairay dia manana anjara andraikitra amin’izany. Ireto ary ireo tsara ho fantatra mahakasika ny fepetra mifehy ny fanariana fako eto an-drenivohitra.