Taorian’ny fidinan’ny Filoha Andry Rajoelina teny Besarety ny 20 mey, dia tsy manome rariny sady tsy nanameloka avy hatrany ny fihetsik’ity olom-panjakana ambony ity ny Komity mahaleotena mikarakara ny fifidianana (CENI). Nanambara fotsiny ny filohan’ny CENI, Herinirina RAKOTOMANANA, ny 21 mey teny Alarobia, fa manana sampandraharaha mandininika izany ny CENI, ka ho jerena ny maha ara-dalàna na tsia iny seho iny. Nohamafisiny fa raha misy olona na antokon’olona manana olana manoloana izany dia afaka mitory izy ireo ary ny fitsarana mahefa no hanapaka.













