Sakafo nitondra aretina. Olona miisa enina amby telopolo farafahakeliny no notsaboina tao amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha, tamin’ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fihinanana kômpôze sy mofo sesika (sandwich) novidina tao amin’ny toeram-pivarotana iray teny Ambatomaro. Voatery nakatona vonjimaika ilay toeram-pivarotana, ary nalaina ny menaka nampiasaina tamin’ny fanamboarana maiônezy mba hatao fitiliana eny amin’ny laboratoara.
Olona nihinana sakafo teo amin’ilay toeram-pivarotana, ny zoma hariva, no voalaza fa tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo araka ny fanazavana avy amin’ny ministeran’ny Varotra sy fanjifana. Niseho ny soritr’aretina voalohany nanomboka ny sabotsy maraina ka ny hariva vao namonjy hopitaly. Nisy nampodiana ny alahady maraina saingy mbola tsy salama dia naverina ny alahady hariva.
« Olona 33 no tonga teny amin’ny hopitaly ny sabotsy. Nalefa nody daholo izy ireo rehefa nahazo fitsaboana sahaza azy ireo afa-tsy roa izay nahitana fahasarotana”, hoy i Yolandine Nambohoe Venon, talen’ny fiarovana ny mpanjifa (DPC) eo anivon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Raha ny fanazavany dia “aretina hafa” tao amin’ireto marary roa ireto no nahatonga ny fahasarotana fa tsy Ilay fahapoizinana ara-tsakafo.
Ankoatra izay dia mbola naverina tany amin’ny hopitaly indray ny iraika ambin’ny folo tamin’ireo nampodiana, ary nisy ihany koa marary telo vaovao. Nidina teny an-toerana ny ekipan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana mba hanao ny fanamarinana voalohany taorian’ny nahitana ny soritr’aretina tamin’ireo olona nihinana ireo sakafo ireo.
Tsy nisy ambin’ireo sakafo nohanin’ireo olona voakasika azo nalaina hanaovana fitiliana anefa nandritra ny fitsirihana. Tsy nahitana vokatra efa lany daty ihany koa ka ny menaka fampiasa amin’ny fanamboarana maionezy no nankana santionany nalefa hotiliana eny amin’ny laboratoara fanaovana fitsirihana ny kalitaon’ny sakafo ASCQSDA ao amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Nalefa tamin’ny alatsinainy teo ilay santionany menaka hotiliana izay mety haharitra 72 ora raha ny fanazavana. Noho izany, mbola tsy azo hamarinina amin’izao fotoana izao ny fifandraisan’ilay menaka amin’ity tranga fahapoizinana ara-tsakafo ahiahiana ity. Mitohy ny fanadihadiana hamantarana ny tena niavian’ny tranga.















