Ilaina, indrindra amin’izao fotoana fisian’ny otrik’aretina coronavirus izao, ny fampitomboana ny hery fiarovana ao amin’ny vatana. Io no fomba tsotra indrindra entina manohitra ny aretina. Nanatona manam-pahaizana izahay, hanazava sy hiresadresaka momba ireo sakafo ara-pahasalamana.