Tsy sotrosotroina fahatany ny mangidy. Na dia misy aza ny aretina mety ho sitran’ity tambavy ity, dia milaza ireo mpitsabo fa ilana fitandremana ny fisotroana azy. Atahorana ny mety ho fiantraikany eo amin’ny fahasalamana hoy ny Dokotera Rakotoarisoa noho izy tsy mba nandalo toeram-pitiliana. Tahaka ny tambavy rehetra na ny raokandro hohanina na sotroina tsy misy fatrany dia mety hanimba ny voa na ny aty ny mangidy, hoy hatrany ity mpitsabo ity.
« Tsy dia mety loatra ny mametraka fitokiana tanteraka amin’ny tambavy eo amin’ny lafiny fitsaboana », hoy indray ny Dokotera Josette Rakotohery Soaharinindrainy, manam-pahaizana manokana momba ny tontolon’ny sakafo. « Na inona na inona fanafody dia tsy azo antoka foana raha vao tsy nandalo toeram-pitiliana », hoy ny fanazavana nentiny. Ny fanatonana hatrany manam-pahaizana manokana na ireo nianatra momba ny fitsaboana, na ny fitsaboana nentim-paharazana na ny fitsaboana maoderina, no torohevitra entin’ity mpitsabo ity amin’ireo marary raha vao misy ny trangan’aretina. Matetika, hoy izy, dia ny fahatarana amin’ny fanatonana toeram-pitsaboana no mahatara ny fahasitranana na mitarika fitaran’ny aretina.
Maro anefa ireo Malagasy mbola manankina ny fahasalamany sy ny toe-batany amin’ny tambavy. Mirana milaza fa isaky ny mifanena amin’ny mpivarotra mangidy izy dia tsy maharitra fa manendry iray kaopy foana. « Maro ny fangaro anatin’ny mangidy, anisan’izany ny aferontany izay singa mandanjalanja ny fatran’ny siramamy ao amin’ny vatana », hoy ny tovovavy manazava ny faharisihany misotro ilay tambavy.
« Karazana raokandro manasitrana aretina maro ao anaty vatana no hita ao anaty mangidy », hoy indray Andry, raha nanontaniana. Aleoko, hoy izy « misotro mangidy toy izay hamonjy dokotera raha mbola aretina vitan’ny tambavy ». Taizan’aretina rahateo ny tenany raha ny filazany ka « manampy ahy amin’ny fitaizana vatana ny fisotroana mangidy », hoy hatrany izy.
Ny fahafahan’ny hozatra mihenjana sy ny fahataitairana entiny amin’ny vatana no antony iray hitiavan’ny lehilahy, indrindra ireo mampiasa vatana, ny mangidy. « Rehefa ilay hiari-tory iny na hiatrika asa mafy dia manampy amin’ny fihenjanan’ny hozatra ny mangidy », hoy ihany i Andry. « Aleo, hoy izy namarana, misotro mangidy, toy izay hihinana fanafody simika ». Ny mangidy izay vokatra voajanahary kokoa saingy ilana fanaraha-maso sy fetra mazava vao azo itokisana, araka ny voalazan’ny mpitsabo.