Manolona ny fahatongavan’ny Papa Ray masina eto Madagasikara dia tsy nitazam-potsiny ny fikambanan’ny Silamo eto Madagasikara fa manohana hatrany ireo mpino katolika. Mpilatsaka an-tsitrapo silamo miisa 200 no manampy amin’ny fikarakarana eny Soamandrakizay.
Etsy ankilany, nanolotra sakafo (kits repas) 25 000, atody 3 000 ho an’ny olona miasa eny an-toerana izy ireo ary koa nanome labasy mirefy 8 000 m².
Ho an’ny fikambanana silamo dia Andriamanitra iray no ivavahana, ka rariny raha manampy ny mpino katolika izy ireo amin’ny fikarakarana izao fotoan-dehibe zao.













