Lany tsy nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimieram-pirenena nivory teny Ivato, androany 12 may, ny lalàna mifehy ny famokarana biolojika. Araka ny fanamarihana nataon’i Lucien Ranarivelo, minisitry ny Fambolena sy fiompiana ary ny jono, dia misy ireo faritra izay natokana hanaovana io famokarana biolojika io.
Nanamarika ihany koa anefa izy fa tsy maintsy lanjalanjaina ny famokarana biolojika sy ireo efa nahazatra hatramin’izay na ilay antsoina hoe « technique conventionelle ».













