FANABEAZANA : Fampijaliana ny ankizy any am-pianarana
Manoloana ny resabe nisy teto amin’ny tambazotran-tserasera mahakasika ny mpampianatra nanongo zaza telo taona, dia nanome fanazavana ny eo anivon’ny Office nationale de l’enseignement privé (ONEP), tetsy Analakely. Nilaza izy ireo fa efa nidina eny ifotony, saingy mbola tsy fantatra ny sazy izay hihatra amin’ilay mpampianatra nampijaly zaza.