Ny 19 ka hatramin’ny 24 aogositra, dia herinandro natokana ho an’ny fankalazana nationaly ny fampinonoan-dreny eto Madagasikara. Manoloana izany dia manana torohevitra maromaro omena ny reny rehetra i Dr Mamy Hanitra RAMANGAKOTO, Chargée de Nutrition, eo anivon’ny UNICEF Madagascar. Torohevitra mahakasika ny fikarakarana ny nonon-dreny, ny zaza latsaky ny enimbolana, ny zaza manomboka eo amin’ny faha-enimbolany ary ny zaza misara-nono.













