Antananarivo, 12 Novambra, 8h45 – Mitohy ny fanohanan’ny fitondram-panjakana n’y baolina kitra. Naneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fitantanana ny baolina kitra ny mpitantana ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika omaly alarobia nandritra ny fihaonany tamin’ny solontenan’ny Federasiona malagasy an’ny baolina kitra sy ny solontenan’ny mpilalao ao amin’ny Barea. Nanome tso-drano ny ekipam-pirenena malagasy izay handray anjara amin’ny lalao ara-pirahalahiana any Antalya Tiorkia amin’ny faha-17 novambra ho avy izao ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Randrianirina Michaël, sy ny Mpanolo-tsaina avo Kolonely Rampanarivo Solofoniaina Thierry.
Ny Nzalang Nacional an’i Guinée Equatoriale, no hihaona amin’ny Barea mandritra io lalao ara-pirahalahiana izay atao any Tiorkia io. Natao ho fanamafisana ny fiarahana eo amin’ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy ity lalao ara-piralahiana ity. Tsy isan’ireo handray anjara amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika 2025 (CAN 2025) i Madagasikara saingy efa manomana sahady ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny CAN manaraka izay vinavinaina hanomboka ny volana martsa 2026.














