Mbola maro ireo sehatra isehoan’ny kolikoly raha ny eto Madagasikara. Nanome toky araka izany ny Tale jeneralin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco), Laza Eric Donat Andrianirina, fa hatao vaindoandraharaha ny fanenjehana ireo mpanodikodina volam-panjakana.













