Namoaka tatitra ny teo anivon’ny BNGRC mahakasika ny vokatry ny oranikija tato anatin’ny andro maromaro nisesisesy. 12 ny olona namoy ny ainy ary nahatratra 40 790 ny isan’ny traboina. Ny faritry Boeny, Alaotra Mangoro ary Sofia no tena voa mafy tamin’izany.
Nanambara ny Sekretera jeneralin’ny BNGRC, Elack Olivier Andriakaja, fa nandefa angidimby any amin’ireo toerana niharam-boina ny fitondram-panjakana hijerena ny zava-misy marina. Mbola manamafy hatrany ny fampitandrema efa napetraka ny tenany.













