Manana andraikitra lehibe eo amin’ny fiaina-pirenena ny Zandarimariam-pirenena. Ny Sekreteram-pajakana eo anivon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Richard Ravalomanana dia niatso ny vahoaka, nandritra ny fankalazana ny Andron’ny Zandarimariam-pirenena, anio 2 aprily, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha, mba hifanolo-tanana amin’ny Zandary amin’ny fanamafisana ny filaminana anatiny.
Nanazava misimisy kokoa ny antony nanaovana ny fanadiovana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ihany koa ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity.