Tsipoapoaka, sainam-pirenena, arendrina, fitaovana manamarika ny fetim-pirenena. Rehefa migadona ny volana jona, maro ireo olona manararaotra misehatra eo amin’ny fivarotana ireo kojakoja ireo. Mpamboly avy any Ambohibary Sambaina i Hajatiana Ratsara. Vao migadona ny volana jona dia mamonjy an’Antananarivo izy, sy ireo namany maromaro, mivarotra sainam-pirenena. Mody kosa izy ny 24 jona.
Lolona Ravelomanantsoa kosa dia renim-pianakaviana monina eny Andoharanofotsy. Mivarotra arendrina eny Analakely no asany rehefa akaiky ny fetim-pirenena. Ny 26 jona no andro natokany anaovany fety miaraka amin’ireo zanany.