Androany alarobia 24 Jona no nanomboka tapaka ny lalana miditra sy mivoaka ny araben’ny Fahaleovan-tena sy ny manodidina izay toerana hanaovana ny matso hanamarihana ny faha-60 taona niverenan’ny Fahaleovan-tenan’i Madagasikara. Raha nalalaka sy nadio ny teny afovoan-tanàna, naresaka sy feno fitohanan’ny fiara tany amin’ny faritra hafa tsy nihodinan’ny mpampiasa lalana sy namelaran’ireo mpivarotra ny entana hamidiny,hanaovan’ny mponina fety.













