Afa-po tamin’ny fametrahana ny orinasa malagasy ho laharam-pahamehana amin’ny fanomezana ny tsena iarahana amin’ny fanjakana ny mpandraharaha malagasy, saingy mitaky fanarahana fepetra mba hahatsara zavatra. Tokony ho orinasa mitovy lenta sy mitovy traikefa no halahatra amina tolo-bidy anankiray mba tsy handringa ny tolotra sy ny kalitaon’ny asa vita, hoy Jean Michel Ramaroson, filoha lefitry ny Fikambanan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) nandritra ny fihaonana tamin’ny Filohan’ny Repoblika ny alatsinainy teo.