Ny lamba no singa anehoana ny maha-Malagasy ankehitriny rehefa takiana ny fanaovana fihaingo sy fitafy malagasy rehefa hianjaika. Miverina mitafy lamba ny Malagasy raha toa ka nisy fotoana efa saika nanary mihitsy izany lamba izany. Tsy isalotsaloram-poana anefa ireny lamba ireny fa mifono hevitra sy maneho fihetseham-po. Hafa ny fomba itafiana azy rehefa tezitra, hafa ihany koa rehefa te haneho hafaliana. Sary sy loharanon-kevitra avy any amin’ny Arsivam-pirenena no nandrantoanay ny torohay, mety hanampy anao rehefa hianjaika ianao mandritra ny Asaramanitra.














