« Maitso, fotsy, mena, sainam-pirenena ». Fomba fiteny mampiady rima ihany io fehezan-teny mahazatra sy faheno io. Ny sainam-pirenena malagasy dia fotsy, mena maitso no filaharany, ary tokony harahina an-tsakany sy an-davany io filaharany io : ankavia miankavanana, avy any ambony mankany ambany.














