Tsy Mahamasina no tery, fa ny olona no kely loha. Na ho atao iray kilometatra aza ny haben’ny vavahady, rehefa tsy mahay mifanaja, raha mbola tsy manaiky milahatra, raha mbola tsy mahavita miandry tantana, tsy atao hahagaga raha mifanosika sy mifanitsaka ho faty.
Mahamenatra sady mampalahelo. Sivy amby dimampolo taona niverenan’ny Fahaleovantena, milahatra aza tsy hain’ny Gasy. Asa, izay eritreritry ny Filohan’ny Rwanda nanatri-maso tetsy Mahamasina : izao ve sisa ilay Madagasikara nanana Fanjakana nandefa ambasadaoro tany Londres, Paris, Washington, Berlin, raha mbola fokofoko niady an-trano ny tany Afrika ?
Tsy Antananarivo no kely, fa ny mponina mivangongo eto no betsaka loatra. Ary ny ankamaroany tsy mahay velively izany hoe fiainana an-tanan-dehibe sy an-dRenivohitra izany : 2019, mbola lava-piringy ; 2019, mbola posy sy sarety taritin’olombelona ; 2019, mbola amidy amin’ny tany ny hanin-ko-hanina…
Jereo ny sary tamin’ny andron’ny Fanjanahantany : ampitahao amin’ny zava-misy ankehitriny. Nadiodio sy nilamindamina ery ny tanàna tamin’izany. Enimpolo taona aty aoriana lasa fisoko ilay Antananarivo : fako, tay, amany, lelo, rehoka, rora, izany no lalovan’ny faladia raha tsy mitandrina.
Tsy Mahamasina no tery fa ny Sekoly no tsy ampy. Sekoly tokony handetehana an-tsain’ny tsirairay ny fomba amam-panao hahafahana mbola miaraka monina. Zavatra faran’izay tsotra izany mbola vao tsy ela akory, saingy very ny fahalalam-pomba, simba ny toe-tsaina. Tsy fahantrana ara-bola ihany no hita ankehitriny, fa fahantrana ara-tsaina indrindra indrindra.
Tany amin’ny efapolo taona lasa tany ho any, mbola tsy nisy taxibe teto. Mbola autobus no fitateram-bahoaka ary ny zavatra nampiavaka azy ireny dia ilay soratra tsotra hoe «toerana voatokana». Voatokana ho an’ny Zokiolona, voatokana ho an’ny bevohoka, voatokana ho an’ny mitaiza kely. Izay sendra tafapetraka tamin’izany toerana izany dia nahalala fomba nitsangana avy hatrany raha vao miditra ny autobus ny ray aman-dreny na izay mitondra vohoka.
Izany fihetsika tsotra izany no simba sy very, tsy hain’ny «Génération taxibe» : mifanaja, tsy misisitsisika, tsy misongontsongona. Tsy mifanitsa-kitro ho faty etsy Mahamasina.