Nanao tatitry ny fanaraha-maso nataony ny Sampana Anaraha-maso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana, na SAFIDY, androany tetsy amin’ny foiben’izy ireo tetsy Ambatonakanga. Tao no nanambaran’izy ireo fa nahafa-po ny fizotry ny fifidianana na dia ambany aza ny tahan’ny fandraisana anjara.